- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAndrefan’Ambohijanahary : Lehilahy niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana

Andrefan’Ambohijanahary : Lehilahy niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana

Niainga tamin’ny « renseignement » tao anaty toeram-pisotroana no niaingan’ny ahiahy. Vava tsy ambina avy amin’ilay lehilahy nitondra sakaosy no henon’ny olona ka nahatonga azy ireo nampandre tsimoramora ny mpitandro ny filaminana. Teo Andrefan’Ambohijanahary no nitrangan’izany ny harivan’ny 24 jiona. Nisy tokoa ny fisavàna natao taminy ary toe no nahitàna ilay fitaovam-piadiana vita amin’ny tànana. Fantsika no bala ary tonga dia marobe no indray mivoaka. Izay no tena mampiavaka azy. Tsy fandrafetana anefa izany fa kosa mahavita hatramin’ny mangoaka rindrindra, izany hoe mahafaty olona avy hatrany. Notazomina avy hatrany io lehilahy io ary misy ny fanadihadiana hosokafana mahakasika azy. Hatreto dia ahiana ho saika hanakorontana izy, avy amin’ny alàlan’io fitaovana io. Io rahateo no henon’ny olona tao anatin’ilay toeram-pisotroana ka nitarika azy ireo ho mailo, niantso ny mpitandro ny filaminana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser