- Publicité -
samedi, juillet 19, 2025
AccueilFaits-DiversAndrefan’Ambohijanahary : Mpangarom-paosy anaty taxi-be, saika matin’ny olona

Andrefan’Ambohijanahary : Mpangarom-paosy anaty taxi-be, saika matin’ny olona

Saika matin’ny daroka ity mpanagarom-paosy iray tao anaty taxi-be ; raha tsy tonga haingana ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-5 Mahamasina. Tamin’ny talata lasa teo, tamin’ny 10 ora, finday ana mpandeha iray no nalain’ilay mpangarom-paosy. Raha nahatsikaritra izany ny tompony, dia raikitra ny fifamaliana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Vao nahafantatra ny olona rehetra tao anaty taxi-be dia niaraka namely an’ilay voatondro fa naka ny telefaonina. Teny amin’ny faritry ny Paraky no niseho izany.

Anosibe. Fa mpanendaka iray ihany koa no voasambotry ny Polisin’i Mahamasina teo am-panendahana vehivavy iray teny Anosibe, ny talata alina tokony ho tamin’ny 08 ora. Vehivavy nandeha irery tratra hariva no nobataina lehilahy iray nihazo toerana maizimaizina. Rehefa tonga teo amin’ny toerana mangingina, dia nalainy ny findainy. Teo am-pisavana ny paosiny iny indrindra anefa izy, no nisy olona nahatsikaritra ka niantso ny polisy niasa tsy lavitra teo. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo mpitandro filaminana, ka mbola tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ilay tovolahy.

Omaly alarobia no natolotra ny Fampanoavana ireo mpanendaka sy mpangaraom-paosy ireo.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici