Iray volana mahery taty aoriana, namokatra ny fikarohana nataon’ireo pôlisy avy amin’ny sampana heloka bevava ny amin’ny fikarahona ireo mpanendaka nahavanon-doza, nahafaty tovolahy iray teny Andrefan’Ambohinajanary iny. Raha ny fampitam-baovao avy amin’izy ireo, dia voasambotra teny amin’ny faritra 67ha iny ny tovolahy iray fantatry ny maro amin’ny anaram-bositra hoe « Karàna » na antsoina ihany koa hoe « Jenny ». Taorian’ny fanadihadiana natao azy, dia natolotra avy hatrany teny amin’ny Fampanoavana ity mpanendaka ity. Tsy nisy hatakandro, fa avy hatrany dia nalefa eny Tsiafahy ity olon-dratsy ity, raha ny fanazavana azo. Araka ny vaovao azo, ny alatsinainy teo no hita teny amin’iny faritra 67ha iny ity mpanendaka rain-dahiny ity ary niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana ny pôlisy avy eo amin’ny boriborintany fahafito. « Ilay vehivavy tafatsoaka mahatadidy tsara ny tarehin’ireo mpanendaka. Araka ny feo, dia izany antsoina hoe Karàna izany no malaza mpanendaka » hoy ny vaovao. Isan’ireo nandray anjara tamin’ilay fanendahana niharo famonoana mihitsy i Karàna, raha ny vaovao voaray. « Rehefa nasaina nojeren’ilay vehivavy voaendaka izy, dia niaiky fa io ilay anisany nanendaka azy roa, ka nahafatesan’ilay olona niaraka taminy » raha ny loharanom-baovao hatrany. Tsiahivina fa, ny 19 jolay lasa teo no niseho ity famonoana an-kitsirano ity. Somary tratra hariva ireto mpifankatia nifanatitra tamin’io fotoana io, ary nizotra tamin’iny faritra Andrefan’Ambohijanahary iny. Tamin’izay anefa no nisy andian’ olona maromaro teo no nanakana azy ireo, naka ny rehetra tany amin’izy ireo. Tsy vitan’izay fa, mbola saika haolan’ireto olon-tsy vanona ilay tovovavy. Niaro ity farany anefa ilay tovolahy, ka tsy nihambahamba ireto olon-dratsy nanindrona antsy sy nanapaka ny tendany. Maty tsy tra-drano teo ity tovolahy ity. Tafaporitsaka kosa tamin’izay fotoana izay ilay vehivavy ary nanatona mpitandro filaminana. Efa vatana mangatsiaka sisa no hitan’izy ireo teny an-toerana tamin’izay fotoana izay. Mbola miroso amin’ny fitadiavana ireo ambiny ny mpitandro filaminana, raha ny fantatra hatrany. Ary angamba tsy ireo ihany fa mety ho olon-dratsy maromaro mihitsy, raha ny firongatry ny famonoana olona tato ho ato izay.
m.L