Omaly antoandro no nahitana fatim-behivavy iray tokony ho 65 taona eo ho eo teny amin’ny faritr’ Andrefan’Ambohijanahary aty ambadiky ny hopitaly Befelatanana. Fahafatesana fahafaha izy ity, satria nitsovaka ny vavany sy ny ati-vavany. Voalazan’ny vaovao re teny an-toerana fa ankeviny nihinana poizina famonoana alika ity ramatoa lehibe ity. Izy moa dia ireny olona mpitsindroka eny amin’ny fanariana fako ireny. Ny loharanom-baovao hatrany koa no nahalalana fa tamin’ny alatsinainy no nisy ny famonoana alika teny an-toerana. Maromaro ny alika maty tamin’izany famonoana izany. Fa mikasika ity fahafatesana ity, ny alin’ny alatsinainy io dia maro ny manodidina no nahare azy toa niantso vonjeo nefa moa tsy nisy nanohina izany antsony izany. Omaly maraina mbola hita tao anaty tatatra ity olona ity. Nisy ny nampiakatra azy teo amoron’ny arabe ,saingy tsy nisy niantso mpamonjy voina na nanatitra azy tany amin’ny hopitaly, izay tsy dia lavitra loatra teo amin’ny toerana nahitana azy. Rehefa antoandro dia maty ilay vehivavy. Nahavariana ny mpandalo koa ny nahita zavatra niloko volomparasy feno fatin-dalitra be dia be teny amin’ny toerana maro.
r.s.