Herintaona teo ho eo izay, pôlisy iray izay nanao ny fihazakazahany maraina no nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tetsy Andrefan’Ambohijanahary. Nandeha teny ny fotoana sy ny fanadihadiana nataon’ireo namany. Tra-tehaka tamin’ny asa ratsy hafa ny roa lahy ; izay fantatra amin’ny anarana hoe Doly sy Menavolo. Tamin’ny fanadihadiana natao azy ireo no nahafantarana, fa ireto farany no isan’ny nandray anjara tamin’ny famonoana io pôlisy io. Raha ny fampitam-baovao azo , dia efa fikamban-jiolahy mpanao ireo karazana fanafihana mahery vaika teto an-drenivohitra ry zalahy ireto. Misy fito izy ireo no voasambotry ny pôlisy, teny amin’iny faritra Anosizato sy Ankadimbahoaka iny. Manoloana ny tsy fandriampahalemana miseho lany eny amin’ireo faritra ireto moa, dia misy tsy an-kijanona ny fisafoana ataon’ireo mpitandro filaminana. Tamin’io fotoana io indrindra no nahasamborana lehilahy iray, izay voalaza fa jiolahy mpamaky trano. Tamin’ny famotorana ity farany no nanoroany ireo namany fito lahy teo ho eo. Nanomboka teo ny fanjonoana ireto andian-jiolahy ireto sy namelarana ny fandrika isan-karazany. Nisesisesy ny fisamborana ka izao nahafahana nahatratra ireo tompon’antoka tamin’ilay famonoana pôlisy izao. Marihana hoy ny vaovao avy amin’ny pôlisim-pirenana hatrany, fa saika efa jiolahy rain-dahiny avokoa ry zalahy ireto ary efa samy mpamerin-keloka daholo. Ny iray tamin’ireo aza dia nivoaka ny fonja vao haingana noho ny fanafihana. Taorian’ny fanolorana azy ireo teny anivon’ny Fampanoavana , fantatra fa ny efatra tamin’izy ireo dia nadoboka avy hatrany teny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ny sasany kosa nalefa eny Antanimora.
m.L