- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAndrefan’i Mananjara : Mpiasa tratra alina nendahana valo lahy nirongo basy

Andrefan’i Mananjara : Mpiasa tratra alina nendahana valo lahy nirongo basy

Mirongatra izay tsy izy ny asa fanendahana, tsy andro tsy alina. Manao andiany ireo jiolahy mpanendaka ary tsy mifidy asiana. Tamin’ny alarobia teo, mpiasa tratra alina no nifanehitra tamina bandy voalaza fa nisy hatrany amin’ny valo, teny amin’ny fokontanin’ Andrefan’i Mananjara. Maizina ny làlana, ny jiro amin’ny pôtô koa tsy mirehitra. Lasan’ireo mpanendaka avokoa ny zavatra rehetra tany amin’ilay mpiasa sy ny olona tonga nitsena azy, vola, finday ary ny sakaosy teny am-babena. Araka ny fitantaran’ireo niharan’ny fanendahana, rehefa tafiditra ny elanelantrano ho any aminy izy ireo, dia nahare olona nihazakazaka avy tany aoriana. Tsy nanampo na inona na inona, satria nihevitra fa olona tratra alina sahala aminy koa izany. Nihoatra azy ny telolahy ary rehefa avy eo nitodika. Avy aoriana koa nisy hafa ary vetivety dia tafalatsaka  afovoany ireo olona handeha hody. Tonga dia basy no nirangaranga ary dia nasaina nanangan-tànana izy ireo. Nosavain’ireo mpanendaka tamin’izay ny paosy rehetra, ka izay hitany tany dia nalaina avokoa. Ny iray tamin’ireo niharan’ny endaka moa dia natohoka teo amin’ny valahany mihitsy ny basy. Nahamarika izy fa nisaron-tava ilay nanao izany. Tsy naharitra ela izany rehetra izany, fa vetivety ihany. Rehefa azon-dry zalahy ny zavatra rehetra dia lasa nandeha izy ireo. Teo ireo olona telo vao tena toran-kovitra nandeha haingana nody, satria efa tsy lavitra ny tranony intsony no niseho ny halatra. Ny maraina no hitan’ny olona naparitaka tamin’ny lalan-kely ny karatra maromaro natao tao amin’ny sakaosy nalain’ireo jiolahy.

Nangonin’I r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici