- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndriamena-Betsiboka : Hosoka sy fisandohana andraikitra, lehilahy iray nosamborin’ny zandary

Andriamena-Betsiboka : Hosoka sy fisandohana andraikitra, lehilahy iray nosamborin’ny zandary

Ny andron’ny Alakamisy faha 06 volana Jona taona 2024 teo, dia nosamborina ny zandary avy ao amin’ny biraon’ny borigadin’Andriamena, any amin’ny tapany atsimon’ny disitrikan’i Tsaratanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka, Rakotonirina Nomenjanahary, rehefa nahazoana fitarainana napetra-dRakotondrabe Jean Hermann. Tantsaha monina ao Andriamena ihany izy ary niharan’ny hosoka sy fisandohana andraikitra, nataon’Atoa Rakotonirina Nomenjanahary. Raha ny fampitam-baovao voaray hatrany, dia tamin’ny fampiasana io anaram-boninahitra sandoka ( mpiandraikitra ny fonja, na pénitentiaire ) io, no nangataka vola 330 000 Ariary ilay jiolahy, mba hampitony ny raharahara teo amin’ilay niharam-boina sy ny vadiny. Nilaza tsy manana afa-tsy 130 000 Ariary anefa ny lasibatra ary mbola tsy maintsy aloa, tamin’izany andro izany. Nandritra ny fizahana sy fisavana ny mombamomba ilay olona voarohirohy, nataon’ny mpitandro ny filaminana, dia hita teny aminy ireto zavatra ireto : fanamina pénitentiaire, karatra banky, badge an’ny mpiandraikitra ny fonja misy anarana hoe: Njakanirina Adrien Heraki, amin’ny marika laharana IM: 429200, miasa ao amin’ny DRAP Ambatondrazaka. Ny laharan’ny karapanondrom-pirenana hita tao amin’ilay mpisandoka hatrany ihany koa, dia misy anaran’olona roa samy hafa, miaraka amin’ireo lisitry ny mpiasan’ny DRAP maromaro Ambatondrazaka, ary niampy finday na Téléphone marika Itel iray. Taorian’izay no natao andrimaso eny amin’ny biraon’ny borigadin’ny zandary ao Andriamena ilay lehilahy voarohirohy hanokafana fanadihadiana sy famotorana, momba ity raharaha ity.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici