Nidina an-dalambe sy nitondra sorabaventy ny mpanao fihetsiketsehana, izay mitaky ny fanalana an’Atoa ben’ny tanàna am-perinasa sy Rtoa lehiben’ny boriboritany, any amin’ny kaominina ambanivohitra Andriamena, disitrikan’i Tsaratanàna, faritra Betsiboka ny marainan’ny Alakamisy faha-13 Novambra taona 2025 lasa teo iny, tokony tamin’ny folo ora tany ho any. Nanao ny fisorohana mialoha ny mety hisian’ny fandrobana sy fananaraotana ny mpitandro ny filaminana any an-toerana, sady nametraka sakana nalaky teo anoloan’ny vavahady hidirana ao amin’ny lapan’ny tanàna, saingy tafiditra tao anatin’ny fefiben’ny kaominina ihany ireo mpanao fitakiana no nitondra fanehoan-kevitra avy hatrany. Leo halabato tamin’ny fanafoanana ny biraom-pifidianana niisa efatra noho ny hala-tsonia nataon’ireo » mpikambana ao anatin’ny birao fandantsam-bato » nandritra ny fifidianana kaominaly farany teo no miampy fangalana vola mihoa-pampana nalain’ny lehiben’ny boriboritany tamin’ireo tantsaha mpiompy ny mpanao fihetsiketsena. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa nanome herinandro mba hanao tatitra ara-bola amin’ny vahoaka izy ireo, ka raikitra anio Alakamisy izao moa izany, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
Ratantely





