- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAndriampamaky : Fasana dimy vaky, razana 60 very taolana

Andriampamaky : Fasana dimy vaky, razana 60 very taolana

Lasa avokoa ireo taolan-dava rehetra tamin’ireto razana nahatratra 60 isa tamin’ireo fasana maromaro vaky tao amin’ny fokontany Ambohitsoa, ao amin’ny kaominina Andriampamaky, distrika Manjakandriana, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo.

Amin’ny toe-javatra toa ity dia mazàna efa vita foana ny asa ratsy vao hitan’ireo tompom-pasana ny nanjo ireo razam-ben’izy ireo. Toy ity nitranga tao Andriampamaky ity. Raha ny zava-nisy mantsy dia olona sendra nandalo teny an-toerana, handeha hamonjy fotoam-pivavahana no nampandre haingana ireo tompom-pasana fa hoe mivoha midanadana ny fasan’izy ireo, kanefa tsy misy fianakavina handevina akory. Nampandrenesina noho  izany ihany koa ireo tompon’andraikitry ny filaminana sy ireo tompon’andraikitry ny tanana tany an-toerana mahasika ity tranga ity. Tamin’ny fidinana ifotony nataon’izy ireo no fantatra fa tsy io fasana hita nivoha io ihany no vaky teny an-toerana fa nisy efatra hafa ambiny. Rehefa nojerena lalindalina dia io hita io fa nikorontana tsy nisy namantarana azy intsony ireo razana rehetra tao am-pasana. Karan-doha maromaro sisa no miparitaka miaraka tamin’ny lamba nifonosana. Araka ny voalaza dia rehefa mety ho taolana lavalava dia lasa avokoa. Toy ny mahazatra hatrany dia tsy fantatra hatreto izay nahavanon-doza, na izay nampaniraka azy ireo hanao izao fanimbazimbana taolambalo izao. Tsy misy ihany koa izay mety olona ahiahiana ho nahavita izany. Na izany aza anefa dia efa manao izay azo atao ireo mpitandro filaminana, manatontosa ny fanadihadiana entina hikarohana ireo nahavanon-doza.

Nirongotra tokoa indray ity resaka vaky fasana ity tato ho ato izay, izay antony dia tsy fantatra. Voalaza ihany koa mantsy fa nisy fasana vaky teny amin’iny faritra Ambohimanga iny ny faran’ny herinandro lasa teo. Taolam-balo maromaro ihany koa no fantatra fa lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici