- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAndriampamaky : Nirefodrefotra ny basy, lehilahy iray naratra mafy

Andriampamaky : Nirefodrefotra ny basy, lehilahy iray naratra mafy

Nitrangana fanafihana mahery vaika indray tao Andriampamaky, distrikan’i Manjakandriana, ny alin’ny talata hifoha alarobia teo. Voalaza ho jiolahy andiany maromaro nirongo basy sy zava-maranitra no nanafika tokantrano iray tao an-toerana tamin’io fotoana io. Vokany, naratra mafy vokatry ny vono nahazo azy ny tompon-trano, vola an-tapitrisany maro kosa no lasa niaraka tamin’ny entana tsy voafaritra mazava. Tokony ho tamin’ny folo ora alina tany ho any no nitranga io fanafihana io, raha ny angom-baovao voaray, raha fotoana maromaro taorian’izay vao nisy nampilaza ny teo anivon’ny zandary. Manodidina ny fololahy tany ho any ireo mpanafika, hoy hatrany ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana. Mpanafika izay toa efa nahafantatra tsara, ny zavatra nataony. Voalaza mantsy fa avy hatrany dia io tokatrano iray io ihany no nataon’izy ireo lasibatra, izay marihana fa mpamboly ireo tompon-trano. Ny sasany tamin’ireo olon-dratsy no nanao amboletra niditra tamin’ny alalan’ny fanapitsohana ny varavarana, raha ny hafa kosa niambina ireo teo amin’ny manodidina tsy hisy hivoaka. Vantany vao tafiditra ny trano izy ireo dia ny vola no notakiany voalohany. Noheverina fa nandà ny fisian’izany anefa ny tompon-trano ka avy hatrany dia daroka kibay avy hatrany no nihatra teny amin’ny lohany. Nanaiky tsy fidiny ny fisian’ilay vola ity farany ary nanoro ny nisy azy. Mitentina eo amin’ny dimy tapitrisa ariary teo ho eo io vola io, raha ny vaovao azo ary nentin’izy ireo tsy namelany na ny ariary aza. Tetsy andanin’izay ihany koa, nisy tamin’ireo naman’ireo mpanafika no nibata izay azo nobataina rehetra tao an-trano, ary nandeha nitsoaka nony avy eo. Teny an-dalana handeha hitsoaka iny ireo no nanapoapoaka ny basy teny an-tanan’izy ireo. Fomba fanaon’ireo olon-dratsy ihany moa, rehefa manafika tanana: karazana fampitahorana ireo fokonolona, raha sendra nisy nahatsikaritra ny zava-nisy, tsy handeha hanenjika na hanara-dia azy ireo. Araka izany, tsy nisy tao an-toerana intsony ireo mpanafika tamin’ny fahatongavan’ireo mpitandro filaminana, fotoana vitsy taorian’ny fanafihana. Na izany aza anefa, nisy avy hatrany ny savahao ny manodidina sy ny fampandrenesana ireo tobim-parita sy zana-tobi-paritry ny zandary manodidina. Ilay rangahy tompon-trano naratra mafy dia nentina haingana nihazo toeram-pitsaboana. Mbola mitohy hatramin’ny omaly moa ny fikarohana ireto jiolahy ireto. Manahy manoloana ny zava-nisy indray ireo mponina amin’ireo tanana manamorona iny lalam-pirenena fahatelo, ny amin’ny sao dia hiverenenan’ny asan-jiolahy mahery vaika tahak’izao. Tsiahivina mantsy fa tanana kely tsy lavitra loatra ity niharan’ny fanafihana ity , teny Antokonana Ankazondandy no nisedra ny toa izany ihany koa taona vitsy lasa izay. Nilamindamina izy taorian’io ary izao nahenoana izao indray. Asa raha mety hisy hifandraisany amin’ny lalana RN3, izay tena ratsy dia ratsy tokoa ve ? Manomboka amin’ny tanana  mantsy dia mety hiafara amin’ny fanakanan-dalana …

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici