- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversAndriampamaky : Taxi-brousse Sprinter nifandona tamin’ny kamiô, maty ny mpamily

Andriampamaky : Taxi-brousse Sprinter nifandona tamin’ny kamiô, maty ny mpamily

Namono olona indray ny fiara Sprinter tamin’iny lalam-pirenana fahatelo iny, ny alatsinainy tolakandro lasa teo. Taxi-brousse, mampitohy an’Anjozorobe sy ny Renivohitra no nifandona tamina fiarabe iray sy namarana ny làlany teny amin’ny andrin-tany, teny Andriampamaky. Vokany, namoy ny ainy rehefa tonga tany amin’ny hôpitaly ny mpamily. Mpandeha enina tao anatin’ity fiara ity kosa no naratra mafy, ary efa nentina namonjy fitsaboana taty  Andrenivohitra. Raha ny fanazavana azo dia tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro tany ho any no niseho ny loza. Handeha hizotra ho any Anjozorobe ity taxi-brousse ity tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza, raha ny fampitam-baovao avy amin’ireo mpitandro filaminana. Nifanenjika tamina taxi-brousse iray nitodi-doha hianavaratra iny ity farany. Raha handeha hisongona itsy voalohany izy, izay tao anaty fiolahana raha ny fantatra no  nipoitra tampoka avy any ny fiarabe iray, hifanena aminy. Tsy hitan’ilay mpamily intsony izay natao. Hany heriny, nadonany tany amin’ilay taxi-brousse iray nosongonany ny fiara. Noho  ny fandehanany mafy anefa, dia tsy tana intsony familiana ary dia niafara teny amin’ny andrin-tany ilay fiara. Raha ny vaovao voaray, dia voakasoka teo amin’ny valahany ilay taxi-brousse iray, raha potika tanteraka kosa  noho ny hamafin’ny dona nahazo azy kosa ilay sprinter. Olona fito, ny mpamily sy ny mpandeha no naratra mafy ka voatery nampiakarina taty  Andrenivohitra, tetsy amin’ny  Hjra. Fantatra fa namoy ny ainy noho ny ratra mafy sy ny habetsaky ny rà very taminy ilay mpamily. Mbola misy amin’ireo mpandeha kosa no miady amin’ny fahafatesana ao amin’ity hôpitaly, raha ny vaovao azo hatrany. Nisy tamin’ireo naratra sasantsany no efa nalefa nody rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici