Na dia efa misy « Poste avancé » Zandary aza ao Andriba, nandritra ny taona marobe izay, dia tsy mahasakana ny asan’ireo olon-dratsy mihitsy ny fisian’ireo mpitandro filaminana any an-toerana. Noho izany dia mihorohoro tanteraka ny faritry ny kaominin’Andriba sy ny manodidina noho ny firongatry ny fanafihana mitam-piadian mahery vaika misesy any amin’iny faritra iny. Manahy mafy ireo mponina fa hampihemotra ny fandrosoana ara-toekarena eny anivon’ny fiaraha-monina ny tsy fahafehezana izany tsy filaminana izany, hoy ireo ray aman-dreny avy any an-toerana, ka tokony handraisan’ny mpitondra fepetra hentitra kokoa.Mitera-pahavoazana betsaka izany, sady voaroba ny vahoaka no mbola voarohirohy tsy amin’antony ihany koa. Tsy mahalala ny asa tokony hataony intsony angamba ny Zandary noho izy ireo vitsy, ka tsy mahavonjy taitra intsony. Voalazan’ireo mponina fa tratra aoriana foana ny fahatongavan’ireo mpitandro ny filaminana ireo na dia voantso ara-potoana aza. Vokany: manaram-po ny jiolahy, ary mianga amin’ny angom-baovao izay mety ho diso ny fanadihadiana ka mahasaringotra ny tsy manan-tsiny mihitsy indraidray. Tranga efa hita tamin’olona iray tany Andriba izany. Tsy lazaina intsony ny nisamborana olona maro mpiray tanàna tany an-toerana, izay nampangaina ho mpiray tsikombakomba tamin’ny dahalo tamin’ny zavatra tsy marina. Mba hialana amin’izay dia hetahetan’ireo ray aman-dreny any amin’ny kaominin’Andriba, ny mba hemetrahana toby miaramila hanampy ireo Zandary izay misahana ny faritra Andriba, amin’izao asan-dahalo manjaka izao.
Ratantely