Ny angom-baovao voaray no nahalalana, fa nisy namaky ny alin’ny alarobia 11 Febroary 2026 teo iny ny birao fiasan’ny ben’ny tanàna sy ny » Régisseur » ao amin’ny kaominina, any amin’ny kaominina ambanivohitra Andriba, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Raha iny nandeha nanokatra ny biraon’ny kaominina iny ny tomponandraikitra mitana ny lakile no talanjona, rehefa nahita izany nisokatra nidanadana, efa nipitika gadana aty ivelany. Teo ihany dia niantso ireo mpiara-miasa aminy, ity farany no nampandreha ny Zandary any an-toerana nalaky mba hanao ny fizahana ny zava-nitranga. Rehefa nojerena ny zava-nisy dia hita sy voamarina fa niparitaka ny antontan-taratasy tao amin’ireo birao fiasana roa, izay voalaza etsy aloha ireo. Saingy tsy nahitana zavatra very ihany koa, raha ny angom-baovao azo hatrany. Mitohy moa ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana, taorin’ny fidinina ifotony nataon’izy ireo.
Ratantely




