- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAndriba : Sprinter sy kamiao nifandona, olona 11 naratra mafy

Andriba : Sprinter sy kamiao nifandona, olona 11 naratra mafy

Taksiborosy « Sprinter » avy any avaratra hiakatra ho aty Antananarivo no nifandona tamin’ny kamiao avy any Antananarivo. Olona  11 tao anatin’ilay sprinter no naratra mafy, raha tsy nisy naninona kosa tao anaty kamiao. Taty amin’ny lalam-pirenena fahefatra, tao Tetezankazo, fokontany sy kaominina Andriba, disitrikan’i Maevatanàna no nisehoan’ny lozam-piarakodia, ny Asabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany antoandro. Araka ny tatitra voaray avy any an-toerana, nifandona tao anaty tetezana noho ny sprinter tapaka hisatra, ka nitrongy ilay kamiao mpamilin’ilay taksiborosy, ka teo no namparatra mafy ireo mpandeha  11 mianadahy. Nidina tany an-toerana ny Zandary ao amin’ny borigady Andriba nanao ny fitsirihina niaraka tamin’ny dokotera. Nalefa tao amin’ny hopitaly be Morafenokely Maevatanàna kosa ireo olona sivy, raha nentina notsaboina any amin’ny hopitaly Androva Mahajanga ny roa, ary any amin’ny hopitaly Befelatatana Antananarivo ny iray. Ny Zandary ao Andriba no misahana ny famotorana sy ny fanadihadiana.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici