Novakian’ireo jiolahy hatrany ny varavaran’ity tokantrano iray notafihany tany amin’ny fokontany Antanandava, kaominina Andriba, disitrikan’i Maevatanàna, ny talata 03 aprily lasa teo, tokony ho tamin’ny misasakalina. Rehefa tafiditra tao an-trano izy ireo, tonga dia namantana tany amin’ny efitra nisy ny tompon-trano, ary norahonany tamin’ny basy avokoa ireo. Torankovitra ny iray trano raha nahita ireto malaso nirongo basy, ka tsy nisy sahy nikofoka. Noteren’ireo jiolahy hamoaka vola ny tompon-trano, ka lelavola mitentina efatra hetsy ariary no lasan’izy ireo tamin’izany. Ankoatra ny vola dia renim-pianakaviana iray handeha hitsoaka nisaoty varavarakely no maty voatoraka Bois rond teo amin’ny hatony. Tsy naharitra ela ireo dahalo fa tao anatin’ny fotoana fohy monja no nanatanterahany izany rehefa vitany ny nataony, dia nitsoaka nandositra haingana izy ireo. Ny tompon-trano sy ny teo an-tanàna kosa niezaka nampandre ny mpitandro ny filaminana avy hatrany raha vao lasa ireo mpanafika. Tsy nisy tratra intsony anefa ireto farany tamin’ny fotoana nahatongavan’ny Zandary tany an-toerana, fa efa tafatsoaka lavitra avokoa ireo jiolahy. Mitohy ny fikarohana ataon’ny mpitandro ny filaminana ireo dahalo ireo amin’izao.
Ratantely