Ny sabotsy lasa teo no fantatra fa navotsotr’ireo olon-dratsy nitazona azy ilay mpandraharaha, tao Andriba, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Ra-Jean, na Rafanomezantsoa Jean Réné, lasan’ireo olon-dratsy an-keriny ny alahady voalohan’ny volana teo. Raha ny fampitam-baovao azo, dia tsy nisy akory ny fandoavana ilay volabe notakian’ireo mpaka an-kery azy. Azo lazaina mantsy fa toa hoe nalefan’ireo nitazona azy nandeha fotsiny amin’izao ity mpandraharaha ity.
Raha ny zava-nitranga, araka ny fitantaran’ingahy Ra-jean, tamin’ny namana tany an-toerana dia nisy ny fifamaliana teo amin’ireo olon-dratsy tamin’ny fomba fakàna ilay vola ka navelan’izy ireo nandeha ity olona notazonin’izy ireo ity. Tsiahivina tokoa mantsy, fa vola 800 tapitrisa ariary no notakian’ireto dahalo mpaka an-keriny tany am-boalohany. Toy ireo tranga fakàna an-keriny nisesilany tany an-toerana anefa ary ihany koa gasy samy gasy no nifampaka teo, dia nisy ny adivarotra. Nifanaharana ary fa vola 150 tapitrisa ariary no aterina ho an’ireo olon-dratsy ho takalon’ny famotsorana ilay raim-pianakaviana. Tany amina tanana lavitra, am-polony kilaometatra miala an’i Tsiafabositra ny toerana nifanarahan’ny roa tonta hanaovana ny fifanakalozana, ny sabotsy maraina.
Araka ny filazan’ity raim-pianakaviana ity, saika namoy ireo zanany telo tsy fidiny, hatrany dia 24 lahy teo ho eo ireo olon-dratsy nitazona azy. Manana basy maromaro izy ireo, toy ny « calibre 12 », « Mas 36 », « kalach », miaraka amin’ny zava-maranitra isan-karazany. Telo lahy ihany anefa no voalazany fa niaraka taminy hihaona sy hanao ilay fifanakalozana. Teo am-piandrasana ireo olona nitondra vola anefa dia raikitra ny fifamaliana tamin’izy ireo. Vokatr’izay dia nasain’izy ireo nandeha fotsiny amin’izao ity olona saika hatakalo volabe ity. Noho ny tsy fahafantarany ny toerana anefa, dia nandeha an-jambany fotsiny izy ary nataony izay nahazoana ny lalam-pirenena fahefatra. Araka ny fitantarany hatrany, dia tamin’ny efatra ora hariva teo no niala teo amin’ireo mpitazona azy ny tenany, ary tokony ho tamin’ny efatra ora maraina tany ho any vao nahita ny arabe sy tanàna ny tenany. Ny alahady tokony ho tamin’ny 10 ora alina indray vao tonga tao an-tokatranony tao Andriba izy. Salama vatana tsara ny lehilahy, eny na dia vizana tanteraka tamin’ny dia an-tongotra lavitr’ ezaka aza, ary afaka nifanena soa aman-tsara tamin’ireo fianakaviany, araka ny fampitam-baovao hatrany.
Raha ny mikasika ireo olon-dratsy indray, dia fantatra fa efa mandeha ny fikarohana azy ireo ataon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana ary inoana fa mety hisy vokany tsy ho ela izany.
m.L / Ratantely