Tsy voahaja noho ny tsy fahalalan’ny maro sy ny tsy fisian’ny fampahafantarana, ilay fepetra noraisin’ny fanjakana ny hampitsaharana ireo fiara rehetra tao anatin’ny adin’ny iray, tamin’ny 09ora hatramin’ny 10ora, ho fanajana ny tontolo iainana noho ny setroka avoakan’izy ireo. Takon’ny disadisa noho ilay tsy niasana omaly nataon’ny fanjakana izany, ka saika nirona tany amin’io resaka fetin’ny silamo namarana ny Ramadan io avokoa ny sain’ny rehetra. Izy ireo koa tsy nanaja ity fepetra noraisin’ny fanjakana ity omaly tamin’ny fanaovana hetsika nitety Tanana niaraka tamin’ny fiara sy moto maro be noho izany fetin’ny “Aid El Fitr” izany, izay tao anatin’ny ora sy ny fotoana voatondron’ny fanjakana mihintsy no nanaovana izany omaly teto Toamasina. Ireo fikambanana manao hetsika momba ny fampandraisana anjara ny tanora momba ny tontolo iainana no tompon’andraikitra mandritra ny 10 andro eto Toamasina, eny amin’ny toerana manana “Viavitiana” na “Place Bien-Aimé”, izay karakarain’ny “Mirage Creative Event” miaraka amin’ny orinasa “pousse-pousse” ary ny talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina, no nanao hetsika io omaly io. Niompana tamin’izay lohahevitry ny hetsika no nataon’izy ireo ka ny fanadiovana ny moron-dranomasina amin’ireo fako plastika no natao nandritra io andron’ny omaly io ho azy ireo. Ankoatra izany na andro tsy fiasana nefa nandraisana karama aza ny omaly dia nanohy ny fianarany hatrany ireo sekoly tsy miankina sasany sy ireo sekolim-pinoana teto Toamasina. Ho azy ireo dia efa voafaritra mialoha avokoa ny fandaharam-pianaran’izy ireo ka sarotra ny manova azy eny an-dalana noho ny fanadinana sy ny fandaharam-pianarana tsy maintsy henjehina ny fahavitany ara-potoana. Ho an’ireo sekoly tsy miankina sasany sy ireo sekolim-pinoana nianatra omaly dia noho izy ireo ao anatin’ny fanadinana avokoa ny antony raha ny fanazavana azo.
Malala Didier