Niaraka indrindra izy roa no nisy fiara nifaoka tampoka avy aoriana. Samy voa mafy ary nentina teny amin’ny hopitaly Hjra avy hatrany. Omaly hariva, tokony ho tamin’ny dimy ora, izany hoe tao anatin’ny oram-ben’ny rivo-doza, no nitranga ny lozam-pifamoivoizana. Tapaka ny tanan’ilay iray izay 15 taona ary nivoaka fotsifotsy toa ny faroratra ny vava sy ny orony, izy tamin’io efa tsy nahatsiaro tena intsony. Natao avokoa ny fomba rehetra nentina nanavotana ny ainy tao amin’ny hopitaly saingy tsy nisy hevitra intsony. Ilay namany kosa mba avotra soa aman-tsara ihany ka tazomina ao amin’ny hopitaly mba hanaraha-maso ny fivoaran’ny toe-pahasalamany. Raha ny fantatra, momba ity raharaha ity, dia notazomina avy hatrany ao amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana mpanao fanadihadiana izay miandraikitra an’iny faritr’Andoharanofotsy iny ilay mpamily tompon’andraikitra tamin’ny lozam-pifamoivoizana.
D.R
Androharanofotsy : Tovovavy roa voadonan’ny fiara, maty ny iray
Articles qui pourraient vous intéresser