Ny alahady alina tokony ho tamain’ny 9 ora, notafihana bandy miisa enina ny foibe iray misahana fiambenana (société de gardiennage) teny amin’ny faritra Androhibe. Voalazan’ny loharanom-baovao fa nitondra basy MAS 36 sy PA ireo mpanafika. Amin’ny maha orinasa misahana fiambenana azy, nisy mpiambina roalahy tao tamin’io alina io. Voalaza fa tena matanjaka tokoa izy ireo. Toa tsy nahoan’ireo mpanafika anefa izany fa niditra ihany izy ireo. Tsy nanaiky mora ireo mpiambina ka dia raikitra teo ny ady. Nony farany, tsy naharesy ireo mpanafika izy ireo noho ny isa tsy mitovy. Tonga dia voatoto vody basy sy niharan’ny daroka hafa. Rehefa izany dia nafototr’ireo jiolahy ny tongony. Rehefa tsy afaka nihetsika intsony dia novakian’izy ireo ny birao fiasan’ny tompon’andrikitra. Nosavain’izy ireo izany. Toa tsy nahita na inona na inona anefa ry zalahy koa dia ny ordinatera toa no nalainy. Rehefa izany dia lasa nandeha ireo mpangalatra. Efa lasa lavitra izy ireo vao tonga ireo andiany nanatevin-daharana hanampy ireo namany. Tena feno fahasahiana tokoa ny jiolahy amin’izoa fotoana izao. Tsy mifidy toerana hotafihana.
r.s.