Vitsy dia vitsy ny olona no sahy mandray andraikitra sy manenjika ireny mpanendaka sy tontakely ireny, amin’izao fotoana izao. Tsy izany anefa no nitranga teny Androhibe, omaly. Mpanendaka iray no nifanenjahan’ny olona teny amin’iny faritra iny. Araka ny vaovao voaray, dia avy nanendaka sy nandratra vehivavy iray ity olon-dratsy ity, naka ny finday teny an-tànany. Tsy nisalasala anefa ity mpitondra môtô ity nanenjika avy hatrany ity mpangalatra ity. Nahita izany ihany koa ireo olona ka rafitra nanenjika. Ny loharanom-baovao no nahafantarana, fa efa tany Analamahitsy no nanomboka ny fanenjahana ary tany Androhibe vao tratra ity olon-dratsy. Efa romotra amin’ity tsy fandriam-pahalemana lavareny mamely azy ireo fokonolona, ka avy hatrany dia nidaroka ny sasany. Nentina avy hatrany tany amin’ny mpitandro filaminana moa ity mpangalatra tratra ity. Fa torak’izany ihany koa no nitranga teny Faravohitra, afak’omaly. Mpanendaka roalahy no tratran’ny fokonolona, teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy. Niantso vonjy ilay voaendaka ka nifarimbona ny fokonolona nisambotra ireto olon-dratsy. Vao azon’izy ireo, daroka avy hatrany no nahazo ireto farany. Ary saika ny ain’izy ireto mihitsy no nanefa raha nisy kely foana. Rehefa afaka ny fon’izy ireo, fa niantso mpitandro filaminana ireo fokonolona ka nitondra ireto tontakely ireto.
m.L