- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversAndrohibe : Fifampitifirana teo amin’ny jiolahy sy ny mpitandro filaminana

Androhibe : Fifampitifirana teo amin’ny jiolahy sy ny mpitandro filaminana

Feom-basy nirefodrefotra no re teny amin’ny manodidina an’Androhibe iny ny alin’ny talata lasa teo. Raiki-tahotra avy hatrany ny mponina teny an-toerana ary tsy nisy sahy nivoaka. Rehefa nanontaniana ny mikasika ity tranga ity ny teo anivon’ny mpitandro filaminana dia nilaza fa nisy olon-dratsy nikasa hanafika trano iray teny an-toerana, ka raikitra ny fifanjevoana. Araka ny fanazavana azo hatrany dia teo amin’ny telolahy teo ireto olon-dratsy ireto, ary saika handeha hiditra tao amin’ilay trano mihitsy izy ireo no tojo ireo mpitandro filaminana. Vintana nitsiky ho an’ny tompon’ilay trano tamin’io fotoana io. Tsy nahatanteraka ny zava-nokinasany mantsy ireto mpangalatra ireto fa avy hatrany dia nanao tari-dositra nitsoaka. Teo no velona ny fifanjevoana. Nirefodrefotra ny basy. Asa raha efa mahafantatra tsara ny drafitr’io faritra io angamba ireto mpihani-bohitra. Fa na dia teo aza enjika nataon’ireo mpitandro filaminana dia tafaporitsaka, nafenin’ny andro alina izy telo lahy. Inoana fa tsy hiveri-maina fotsiny amin’izao anefa ireo mpanenjika fa hanokatra ny fanadihadiana ary hikaroka ireto olon-dratsy. Azo heverina tsara mantsy fa raha mety ho tsy nahavoa tamin’io ry zalahy, dia hiverina na hananteraka ny asa ratsiny any amin’ny toeran-kafa indray. Efa mampiteny ny moana tokoa raha ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana eto amintsika, eny fa na dia eo aza ireo ezaky ataon’ireo mpitandro filaminana. Angamba mbola ilana ezaka misimisy tokoa angaha …

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser