- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAndrohibe : Notsindromin’ny zanany vavy antsy ny rainy

Androhibe : Notsindromin’ny zanany vavy antsy ny rainy

Zava-doza no nitranga omaly teny Androhibe. Raim-pianakaviana iray no maty tsy tra-drano noho ny tsindrona antsy nahazo azy. Tsy iza akory no nahavita izany fa ny zanany vavy ihany. Izay tsy fantatra na noho ny antony inona na noho ny antony inona. Araka ny angom-baovao azo dia toa hoe loza tsy nahy no nahatonga izany. Nilalao zava-maranitra mantsy ity ankizivavy ity tamin’io fotoana io. Tsy fantatra mazava anefa izay tena zava-niseho teo, fa ny hany re dia hoe nisangisangy izy ireo. Saingy angamba diso tafahoatra izany ary dia izao niafara tamin’ny vono olona izao. Teo amin’ny tendan’ilay raim-pianakaviana no voatrobak’ilay zava-maranitra. Na teo ihany aza ny famonjenan’ireo mpiray monina, nitondra ity naratra tany amin’ny hôpitaly dia indrisy fa tsy tana ny ainy noho ny fahaverezan-drà be loatra. Ilay ankizivavy kosa dia nentin’ireo mpitandro filaminana nanaovana fanadihadiana, ahafantarana izay tena zava-nitranga marina tamin’io fotoana io.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici