- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAndrohibe : Voasambotra ilay namaky ny tranon’i Mompera

Androhibe : Voasambotra ilay namaky ny tranon’i Mompera

Lehilahy iray antsoina hoe Jules, 42 taona, no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny boriborintany fahavalo etsy Analamahitsy, noho ny resaka vaky trano sy halatra tao an-tokotan’ny Mopera ao Androibe, ny alatsinainy 24 jolay teo tokony ho tamin’ny 5 ora maraina. Ny alatsinainy, 24 jolay 2017 vao maraina be tokony ho tamin’ny 5 ora sasany no voasambotry ny Polisy ity mpangalatra ity. Polisy manao fisafoana no nahatazana azy ka dia nisambotra avy hatrany. Nitsoaka izy saingy tra-tehaka ihany rehefa nifanenjehana. Mbola tratra teny aminy ny zavoka iray avy nangalariny. Niaiky ny heloka vitany izy rehefa natao ny fanadihadiana azy. Marihana fa efa nigadra ity lehilahy ity noho izao asa ratsiny izao ihany. Manana namany izy rehefa manao ny asa famakiana trano saingy tsy mbola tratra izy ireo ary maro ny fitarainana mahakasika azy ity ao amin’ny polisy. Efa natolotra ny fampanoavana omaly ny raharaha.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici