- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversAndrondra : Lehilahy hita faty tanaty hantsana

Androndra : Lehilahy hita faty tanaty hantsana

Vono olona sa fianjerana tsotra ? Lehilahy iray mananika ny 45 taona no hita faty tanaty hantsana, omaly teny Ampamantanana Androndra. Raha ny vaovao voaray, dia nahitana fahavakisana ny lohany ary mbola nijininika rà izany, tamin’ny nakan’ny mpiasan’ny BMH ny razana tany. Fantatra mantsy fa nahatratra teo amin’ny dimy metatra teo ho eo ny halalin’ity hantsana nahitana ny razana ity. Ity lehilahy ity moa, raha ny vaovao voaray hatrany dia efa afakomaly no tsy nody tao an-trano izy ary tsy fantatra izay nalehany. Efa nifampitadiavan’ny fianakaviana iray manontolo mihitsy aza. Hatairana anefa no nahazo an-dramatoa vadiny omaly maraina, raha iny izy handeha hividy sakafo maraina iny. Rangahy vadiny nitsirara efa tsy nisy aina tao anaty hantsana no nitsena azy. Mafy tokoa izany raha zava-niseho, saingy tsy maintsy natrehina. Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava izay zavatra nahazo ity rangahy ity, na fianjerana tsotra na nisy olona namono, avy eo natsipy tao anatin’ity hantsana ity. Raha ny fantatra hatrany dia olona mipetraka eny amin’ny manodidina ihany io rangahy io.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser