Efatra no efa voasambotra ary basy telo no azo niaraka tamin’izy ireo. Na izany aza anefa dia mbola misy lehilahy roa karohina ary miaraka amin’ny basy izy ireo. Izay no fantatra momba ilay fifampitifirana tetsy Androndra, ny harivan’ny alatsinainy teo. Raha araka ny fanazavana azo dia tao anatin’ny fiara Peugeot 309 iray no nisy ireo roa lahy. Fetsy izy ireo satria nasiany zaza amam-behivavy tao anatin’ilay fiara. Izany dia entina hanasarotana ny fisamborana azy ireo, indrindra rehefa raikitra ny fifampitifirana. Mazava mantsy fa tsy maintsy hitandro ny ain’ireo vehivavy tsy manan‐tsiny ny mpitandro ny filaminana rehefa ao anatin’ny fifanandrinana. Ny alatsinainy teo, raha raikitra ny fanenjehan’ ny pôlisy azy ireo dia nanapa‐kevitra ireo jiolahy ny nanajanona ny fiara teo amin’ny arabe ary nitsoaka niditra tany anelakelan‐trano tao Androndra. Nanjavona tanteraka hatreo, toa efa hain’ireo tsianjery angamba ny toerana rehetra fitsoahana ao an‐toerana.
Fantatra koa ankehitriny fa jiolahy mbola tsy nahavita sazy avokoa izy ireo ary tokony ho any am-pigadrana. Mipetraka hatrany ny fanontaniana rehetra mitranga ny toy izao hoe iza indray ny mpanao kolikoly nataon’ireto jiolahy ireto lamosina. Efa im-betsaka ny mpitandro ny filaminana no manao fitarainana momba izany, satria ny ankamaroan’ireo jiolahy efa fanta‐daza izay nahavita heloka bevava dia toa mpamerin‐keloka avokoa ary tsy vitan’izany fa tsy nisy nahavita sazy hatramin’ny farany mihitsy. Iza ihany ary izany no mamoaka azy ireny? Sao dia mba izany no tokony hosamborina voalohany?
D.R
Androndra : Mbola misy jiolahy roa mitam‐basy miriaria
Articles qui pourraient vous intéresser