- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAndrondra : Toaka gasy 2980 litatra tratra, nariana teny Andriantany

Androndra : Toaka gasy 2980 litatra tratra, nariana teny Andriantany

ToakaNahazo vaovao ny polisy miady amin’ny fianahan’ny zavamahadomelina fa misy fiirabe iray avy any Toamasina mitondra toaka gasy ho aty an-drenivohitra. Nanomboka teny amin’ny Station GALANA Ambohimalaza no narahi-maso ity fiara ity ka hatreny amin’ny Station JOVENNA Androndra, ny alin’ny 26 avril 2014 tokony ho tamin’ny 09 ora sasany. Tonga dia natao ny fisavana ka nahitana « Bidon” 50 litatra miisa 149 izay misy toaka gasy avokoa. Rehefa natambatra ireo dia mitotaly 2980 litatra. Nafenina tao ambany gony misy vary mba tsy hahenoana ny fofony. Tonga teny an-toerana ny tompon’ilay toaka gasy antsoina hoe R. Donis, izay hanatitra volana solika ho an’ilay fiara ka nosamborin’ny ny polisy. Tamin’ny fanadihadiana azy dia niaiky izy fa azy ireo toaka gasy ireo ary indray mandeha isan-tapabolana izy no mampiakatra toaka voarara aty an-drenivohitra. Tamin’ny fanadihadiana ihany koa no nahalalana fa 1200 Ariary no ividianany ny iray litatra ka hamidy 2200 ariary. Nariana teny amin’ny lakandranon’Andriantany Ampefiloha ireo toaka ireo omaly 28 aprily 2014, teo imason’ny mpitsara sy ny mpitandro ny filaminana. Omaly ihany dia natolotra ny Fampanoavana ny raharaha.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser