- Publicité -
lundi, septembre 22, 2025
AccueilFaits-DiversAndrondra : Vehivavy mpibizina rongony tra-tehaka niaraka tamin’ny « entany »

Androndra : Vehivavy mpibizina rongony tra-tehaka niaraka tamin’ny « entany »

Gony iray, feno rongony no tra-tehaka teny amin’iny ramatoa iray, teny amin’iny faritra Ampamantanana Androndra iny, ny alakamisy lasa teo. Raha ny fantatra dia misy olona mivarotra am-bongadiny izany rongony izany, izay tonga eo aminy ka raisiny amin’ny vidiny telo hetsy ariary. Iny indray avy eo no tsinjarainy amin’ny « sachet » ary hamidiny telo alina ariary. Milaza fa mahalafo iray « sachet » isan’andro ity ramatoa ity amin’izany satria tsy tapaka tokoa ireo olona no tonga ao aminy mividy izany. Tonga teo teny an-tsofin’ireo pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina izany bizina ataon’ity ramatoa ity izany, ka nilatsahan’izy ireo maraina teny an-toerana ny alakamisy lasa teo. Tsy afa-niala intsony ramatoa niaraka tamin’ireo « entany », izay ambin’ny sisa tsy laniny. Voalazan’ireo mpanao fanadihadiana moa fa vao haingana, satria ny voalohandohan’ny taona teo izy no nanomboka niroboka tamin’ity fibizinana rongony ity, raha ny fampitam-baovao azo. Efa natolotra ny Fampanoavana omaly moa ity ramatoa mpibizina rongony ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici