Zava-doza mahatsiravina indray no nitranga ny alin’ny alatsinainy 29 aogositra lasa teo. Tovolahy iray, 21 taona monja, no maty tsy tra-drano rehefa nofaohin’ny kamiao tamin’ny sisin-dàlana manakaiky ny sampanan-dàlana Androndrakely mankany By Pass iny, tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany tany ho any. Rapa tanteraka tsy nisy nahafantarana azy intsony ny tarehin’ilay tovolahy ary niendaka hatramin’ny hodi-dohany mihitsy. Nipotsaka ihany koa ny voamasony, tapaka ny tongony ary niforitra mihitsy. Nihoson-drà tanteraka ny akanjony ary feno ihany koa ny arabe nianjerany. Ilay kamiao nahavanon-doza kosa dia rifatra lasa nitsoaka taorian’izany. Olona sendra tratra hariva nandalo iny làlana iny ka nahita teny alavitra ny zava-niseho no nihazakazaka namonjy haingana ilay tovolahy saingy efa tsy nisy aina intsony ity farany. Avy hatrany ireto farany dia nampiantso ny BMH sy ny polisy akaiky teo izay nikarakara ny razana sy nandray an-tànana avy hatrany ny raharaha tamin’ny fikarohana ilay kamiao nahavanon-doza. Marihina fa ireo polisy nikarakara ity raharaha ity no nitazona ny finday teny amin’io lehilahy voadona io ka fantatra fa nisy namany niantso ilay lehilahy taorian’ny loza ka nilazan’ny polisy avy hatrany ny amin’ny zava-doza nahazo azy. Ity farany nony avy eo no nampandre ny fianakaviany omaly maraina. Efa notaterina eny amin’ny tranom-paty eny amin’ny HJRA ny razana ary efa tonga nijery azy teny ihany koa ireo fianakaviany. Ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa mpamily « taxibrousse » rezionaly mampitohy an’Antananarivo amin’ny distrikan’Antanifotsy ity farany ary avy niasa mihitsy izy tamin’io fotoana io. Nisaraka teo amin’ny fasan’ny karàna Anosizato izy sy ny mpamily mpanampy azy. Ity farany dia natory tao anaty fiara fa ilay tovolahy kosa nandeha tongotra namonjy fodiana teny Androndrakely no izao niharan-doza izao. Mbola niantso azy aza ny vadiny taloha kelin’io loza io ary nilazany fa efa an-dàlana hody ny tenany. Fantatra fa halevina any Antanifotsy Ambohitompoina, any an-tanindrazana niaviany, ny razana ny zoma ho avy izao.
Niony H.