Araka ny voalazan’ireo mpitandro filaminana dia manararaotra tanteraka ny fahanginan’ny tanana, indrindra fa amin’ny alina ireo tontakely vao manararaotra manao ny asa ratsiny. Ny alin’ny alahadin’ny Paka lasa teo, mpanendaka roa no voasambotry ny polisy teny amin’iny faritra Antohomadinika iny, raha teo am-piandrasana izay haza atao lasibatra izy ireo. Tsy lavitra ny toby fiantsonan’ny fiara hiombonana mankany Mahitsy no nahasamborana azy ireo. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisim-pirenena hatrany dia mbola tratra teny amin’ireto roalahy ireto ny sabatra lavalela iray, fentin’izy ireo manao ny asa ratsiny. Tamin’io fotoana io tokoa mantsy dia nandalo nanao fisafoana ireo pôlisy no nahita roalahy hafahafa fihetsika anaty maizina. Tsy maintsy nanatona avy hatrany moa ireto mpitandro filaminana satria efa ao anatin’ny fotoanan’ny « couvre feu » tanteraka izany ary tsy tokony hisy olona hifamezivezy intsony. Raha vao nahita ireo mpitandro filaminana nahita azy ireo roalahy, avy hatrany dia nitsoaka, saingy tsy lasa lavitra fa ireo voasambotra ireo.
Somary mirongatra tokoa tato ho ato izay, indrindra fa tato anatin’ity fihibohana andiany faharoa ity ny resaka tsy fandriampahalemana. Ny fanendahana sy ny vaky trano no tena mamely. Raha ny angom-baovao azo aza dia eny amin’iny faritra Anosizato Atsinanana iny dia tsy tahotra tsy henatra ireo olon-dratsy mamaky tsirairay ireo tranon’ireo olona lasa any ambanivohitra, noho ny tahotry ny « coronavirus » eto an-drenivohitra ary mitaona ireo entana halatra amin’ny andro atoandro be nanahary.
m.L