- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilSociétéAndron’ny zandarimariam-pirenena : Hisy ny herinandron’ny filaminam-bahoaka, hisy ny hetsika tsy an-kitsitsy

Andron’ny zandarimariam-pirenena : Hisy ny herinandron’ny filaminam-bahoaka, hisy ny hetsika tsy an-kitsitsy

Tahaka ny zandarimariam-pirenena manerana ny Nosy, dia isany nankalaza ny andron’ny 02 avril andron’ny zandary ny vondrom-pileovana eto Toamasina. Hafa kely anefa ny hetsika nataon’ny teto Toamasina, satria ny fanombohan’ny hetsika manokana mandritra ny herinandro amin’ny fametrahana ny filaminam-bahoaka ao Toamasina Suburbaine ; izay tena fieren’ireo andian-jiolahy sy fanaovan’izy ireo  ny asa ratsiny amin’ny resaka vaky trano izay saika isaky ny alina, no nentin’izy ireo nankalaza izany. Hiavaka anefa ity hetsika ity satria tsy an-kitsitsy izany, araka ny nambaran’ny komandin’ny vondrom-pileovan’ny zandary Atsinanana ny Kly Ranaivoarison Théodule, fa izay andian-jiolahy tsy laitry ny fananarana ka mifanehitra amin’izy ireo dia ampiasain’izy ireo ny fitaovana eny aminy, ka nanaovan’ireto zandary antso avo ho an’ny rehetra tsy hisangy sy hihantsy ireo mpitandro ny filaminana amin’ny fametrahana tsy filaminam-bahoaka eto Toamasina. Ny talata maraina ho fampahalalana izao hetsika ataon’ny zandary ao Toamasina Suburbaine izao, dia nisy ny fihaonan’izy ireo tamin’ireo filoham-pokontany mandrafitra ny kaominina Toamasina Suburbaine ity, tao amin’ny biraon’ny kaominina Ambalamanasy. Voasokajy  ho kaominina mena ho an’ny zandary mantsy ity kaominina ity, amin’ny  tsy filaminana izay mameno ny 3/4 ny fitarainana voarain’ny zandary isan’andro, dia avy ao avokoa. Manomboka izao izany, dia hisy ny fiaraha-miasan’ny andrimasom-pokonolona sy ny zandary na andro na alina amin’ny fametrahana ny filaminam-bahoaka; izay ampiasana ny fitaovana rehetra amin’izany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici