- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndron’ny zandarimarim-pirenena : Nofaranana tamin’ny fanadiovana ny tanana

Andron’ny zandarimarim-pirenena : Nofaranana tamin’ny fanadiovana ny tanana

« Manadio » na ny ao anatiny na ety ivelany, ary na ara-keviny na ara-bakiteny, tanjona napetraky ny eo anivon’ny zandarimarim-pirenena.

Nilatsaka an-tsehatra nanadio ny tanana sy ireo lalam-bahoaka ivelan’ny lakazera ireo zandary manerana ny Nosy omaly, ho famaranana ny andron’ny zandarimarim-pirenena tamin’ity taona ity. Hetsika fanadiovana faobe, izay nilatsahan’ireo Jeneraly sy ireo manambonahitra ambony eo anivon’ny zandarimarim-pirenena an-tsehatra, nilanja kifafa sy nanosika borety. « Raha ny teto Antananarivo dia ny Jeneraly Randriamahavalisoa Razafindramaitso Girard, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria sy ny Jeneraly Ramiandrisoa Jean de Dieu Daniel, Komandin’ny zandary no nitarika izany hetsika izany vao maraina tamin’ny 6 ora, nanadio ny manodidina ny kianjan’i Mahamasina hatrany Analakely, Ambohijatovo ary Andrefanambohijanahary ary Anosikely », hoy ny vaovao. Marihana fa hetsika faharoa izy ity ho fanamarihana izany andron’ny zandarimarim-pirenana izany. Ny hetsika voalohany dia niompana tamin’ny fanomezana aina, rà, ho an’ireo mpiray tanindrazana izay mila izany. Hetsika izay mbola notarihin’ny Tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny zandariam-pirenena hatrany. Naompana manokana tamin’ny lohahevitra hoe « Zandarimaria manakaiky ny vahoaka » moa ireto hetsika ho fanamarihana ny andron’ny zandarimariam-pirenena ireto. « Manohy ny asa fanaony andavanandro hatrany anefa ny zandary na dia eo aza izany hetsika izany ka rehefa nadio ny toerana nofafàna dia namonjy ny birao sy namonjy ny iraka manandrify azy ny tsirairay sy nanatanteraka ny asany ».

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici