Lehilahy dimy no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny boriborintany faha-8 teny Andrononobe noho ny resaka halatra sy famakiana trano, ny Talata 28 may lasa teo teny Androhibe. Tsy nampoizin’ireto jiolahy ireto mihitsy fa tsikaritry ny tompon-trano ny nidiran’izy ireo tao an-tokotany. Nampandre ny polisy avy hatrany ny hotafihana. Teo am-panaovana « patrouille » toy ny mahazatra azy ny polisy ao amin’ny boriborintany faha-8 eny Analamahitsy no nahazo ny antso avy amina tokontano iray eny Andrononobe milaza fa fa misy olona miditra ao anatin’ny tanan’izy ireo. Nidina teny an-toerana avy hatrany ireo polisy ka tra-tehaka tao ny lehilahy iray. Rehefa nentina tany amin’ny Kaomisaria ny tenany nanaovana fanadihadiana, dia fantatra fa dimy izy ireo no saika hamaky an’io tokantrano io, saingy izy ihany no tratra tao. Tsy nisalasala nanondro ny namany moa ity farany ka dia voasambotra avokoa ireo efa-dahy niara nanao izany asa ratsy izany taminy. Olona tsy vaovao amin’ny mason’ny olona eny an-toerana ireto jiolahy ireto. Niaiky ny heloka nataony izy ireo, ary fantatra ihany koa tamin’ny famotorana natao fa tafiditra ao anatin’irony tambazotra mpangalatra môtô irony izy dimy lahy ireto. «Pince coupante» sy fitaovana maro maro no fampiasan’izy ireo amin’ny asa ratsiny. Notanana am-ponja vonjimaika moa izy ireo rehefa natolotra ny fampanoavana.
T.M.