- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAndrononobe : Mpibizina basy tra-tehaky ny pôlisy

Andrononobe : Mpibizina basy tra-tehaky ny pôlisy

Roalahy izay nikasa ny hibizina basy sy hanangana tambajotran-jiolahy no tra-tehaky ny pôlisin’ny boriborintany fahavalo ny herinandro lasa teo, teny Andrononobe. Basy “revolver”, tsy nisy bala no hita teny amin’izy ireo araka ny fanazavàna. Ary teo am-pitadiavana mpividy izy ireo no izao tra-tehaka izao. Loharanom-baovao azon’ny teo anivon’ireo mpitandro filaminana ireto no nahafantarana fa misy olona mikononkonona fanafihana sy mikasa hivarotra basy teny amin’iny faritra iny. Nandeha avy hatrany teo ny famotorana, ary napetraka ny velam-pandrika rehetra. Ny iray tamin’ireo no voasambotra voalohany, izay karazana mpanera sy mpitady ireo olona vonona hividy ilay basy. Ity farany indray avy eo no nanoro ny tena tompon’ny basy. Rehefa nofotorana ny lehilahy dia tsy nahitàna taratasy mahakasika ity fitaovam-piadiana ity tany aminy. Manodidina ny 3 tapitrisa ariary teo ho eo moa no nokasain’izy ireo hamarotana izany. Omaly moa ireto farany no natolotra ny teny anivon’ny Fampanoavana.

Fantatra fa misy hetsika manokana ataon’ny eo anivon’ny pôlisin’ny boriborintany fahavalo ny amin’ny famongorana ireo asan-jiolahy sy tontakely. Ao anatin’izany ny fikaroham-baovao tsy tapaka, ny fametrahana ireo pôlisy maromaro manao fisafoana eny amin’ireo faritra be olona sy tena hanjakan’ireo mpanendaka sy tontakely. Misy amin’izy ireny ireny ireo manao fanamiana, ary ao ireo mitondra akanjo sivily. Izany dia mba hanaovan’ny tsirairay sy hankalazana ireo fetin’ny faran’ny taona ao anatin’ny fandriampahalemana, raha ny fanazavàna azo. Marihana fa efa andiana mpanendaka maromaro no efa voasambotra hatreto nandritra ity hetsika ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici