Ny 19 jiona teo no nahazo loharanom-baovao tany amin’ny olon-tsotra ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina etsy Anosy fa misy lehilahy mpivarotra rongony eny Andrononobe Analamahitsy. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy ny androtr’io ihany, tany ho any amin’ iray ora antoandro tany ho any. Tra-tehaka tao an-tranony ity lehilahy iray izay mitondra ny anarana hoe Mahenina, 41 taona, izay mbola nahatratrarana rongony 25 fonosana. Nolazainy fa hamidiny 500 Ar io. Tamin’ny fanadihadiana natao azy ihany koa moa no nahalalana fa any amin’izany Patrice, monina eny amin’ny IVO Antohomadinika izany, no fividianany ireto rongony ireto, ka 5000Ar no fividianany ny fonosana iray sachet kely.
Io andro io ihany moa dia nosamborina teny an-tranony i Patrice, 33 taona, izay mbola nahatratrarana rongony 20 fonosana ihany koa. Tao aorian’ny fanadihadiana natao azy ihany koa moa no nahafantarana fa izany Ramatoa Mialy izany no mpanatitra rongony ao aminy, saingy tsy fantany izay trano hitoerany.
Marihina fa tamin’io fisamborana an’i Patrice io no nahatratrarana an’i Alain, 21 taona, nividy rongony hofohany. Tratra teo am-pifohana rongony ary mbola nahatratrarana rongony 3 fonosana ihany koa teny aminy. Tratra ihany koa i Lova, 49 taona, izay vao avy nividy rongony 77 fonosana, izay mbola hamidiny eny Anosibe. Hatolotra ny fitsarana ny zoma izao ireto olona tratra ireto.
ALEM