- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAndrononobe : Roalahy nirongo basy, nanafika mpivarotra zava-pisotro

Andrononobe : Roalahy nirongo basy, nanafika mpivarotra zava-pisotro

Tato ho ato izay dia saika ireo mpivarotra avokoa no lasibatry ny asan-jiolahy. Ny faran’ny herinandro lasa teo, mpivarotra zava-pisotro iray teny amin’iny faritra Andrononobe, kaominina Ankadikely Ilafy iny indray no lasibatry ny jiolahy, izay samy nirongo basy poleta avy. Naratra tamin’izany ny tompon-trano ary vola manodidina ny roa tapitrisa ariary teo ho eo no lasan’ireo tsy valahara ireto. Tsy hariva akory, ary mbola mazava satria dia tamin’ny telo ora folakandro no nanantanterahan’ireto andian-jiolahy ireto ny asa ratsiny, araka ny fanazavana azo avy amin’ny zandary. Tsy dia nisy olona firy teo amin’ity mpivarotra zava-pisotro ity tamin’io fotoana io, ka nanararaotra izy ireo, niditra an-keriny tao amin’ilay fivarotana. Tsy nisy alaharo alaharo fa ny vola avy hatrany no nasesin’izy ireo notakiana tamin’ireo tompon-trano. Niaraka tamin’ny fandrahonana ho faty tamin’ny basy izany. Somary mbola nihenahena tamin’ny fanerena sy ny fandrahonana ilay mpivarotra ka avy hatrany dia nodarohan’ilay olon-dratsy iray tamin’ny vodibasy. Voa teo amin’ny lohany ity farany ary naratra vokatr’izany. Nentin’ny tahotra araka izany ka namoaka ireo vola rehetra tao anaty fitoeram-bola, izay mitotaly any amin’ny roa tapitrisa ariary tany ho any. Tsy vitan’ny vola ihany anefa fa mbola nisy fahana finday izay mitentina eo amin’ny dimy alina ariary eo ihany koa lasan’izy ireo. Sakaosy tao amin’io mpivarotra io ihany no nitondran’ireto jiolahy ireo ny vola sy ny entana azony tao. Nentin’ireto farany ihany koa ny karapanondron’ny mpivarotra hitany tao an-tsena. Mahagaga tokoa fa efa tsy misy tahotra intsony ireo olon-dratsy amin’izao fotoana izao, ary na dia fantatra aza fa somary akaiky mpitandro filaminana iny toerana iny dia mbola sahin’izy ireo ny manatanteraka ny asa ratsiny. Fotoana fohy taorian’ny fanafihana moa no tonga teny an-toerana ny pôlisy sy ny zandary misahana iny faritra iny, nanao savahao ny manodidina. Efa eo am-pikarohana ireto olon-dratsy ireto izy ireo amin’izao fotoana izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici