Ny alarobia 11 mars hariva raha namonjy ny tokantranony ity ramatoa iray nitondra moto scooter, dia nosakanan’ny telo lahy nitondra basy sy nitaingina moto scooter fotsy tao Androranga mihazo ny orinasa SKT sy HITA. Niezaka nitsoaka ihany ireto mpanendaka telo lahy ka ny roa tena tafatsoaka fa iray tratran’ny olona ka niharan’ny fitsaram-bahoaka, saingy tsy maty fa tonga ny polisy nisahana ny raharaha. Tafaverina tamin’ilay ramatoa avokoa ny fananany lasan’ireto jiolahy ireto satria mbola tao anatin’ilay moto nendahanin’ireto tovolahy mpanendaka ireto. Ny alin’ny alarobia io ihany dia nanomboka ny fikarohana ireo naman’ity tovolahy tratran’ny fokonolona ity, ka tratra tamin’izany ny roa lahy ary izy ireo indray no nanoro ilay tovolahy tsy ampy taona mpampanofa ilay basy amin’izy ireo ka izay no nahatonga ireto ekipa mpanendaka efatra tratran’ny polisy ireto. Raha ny fanazavana dia karazan’ireny basy fanairana ireny ity basy ity saingy mety hahafaty sy handratra ihany raha akaiky ireo mpampiasa azy mitifitra aminy. Efa samy niaiky ny asa fanendahana nataony sy fampanofana basy fanaony avokoa izy efa-dahy ireto izay mponina ao depot IVème Toamasiana. Omaly alakamisy tolakandro teo no niakatra fitsarana ny raharaha ka samy miandry fitsarana am-ponja vonjimaika avokoa ireto tovolahy efatra saron’ny polisy mpanendaka mitam-basy ireto.
Malala Didier