Mihorohoro tanteraka ireo mponina manana omby any amin’ny tanàna atao hoe: Androtra kely, fokontany sy kaominina Sarobaratra, any amin’iny disitrikan’i Tsaratanàna iny, ato anatin’ny faritra Betsiboka, manoloana ny faharatran’ireo zanak’omby nokaikerin’ny alika mpihaza lambo any anaty akata. Rehefa nahazo tatitra sy fampandrenesana makasika izany tranga izany ny tompon’andraikitra ny fitandromana ny filaminana sy ny dokoteram-bidy, dia nidina ifotony ny andron’ny sabotsy fahadimy Oktobra taona 2024 teo, tokony tamin’ny 11 ora maraina, nanokatra ny fanadihadiana mba halalana ny tena zava-misy marina, any amin’ny toerana voalaza etsy ambony. Vorilanona tokoa ny fokon’olona, ary tamin’izay no nahafantarana fa alika no mihinana ireo zanak’omby ireo, nanomboka tamin’ny faha-30 Septambra 2024 teo no tratran’ireo tompon’omby ny efatra tamin’ireo alika nihinana ny ombin’izy ireo, ka maty voatifitra tamin’izany ny iray tamin’ilay alika, saingy tafatsoaka kosa ny telo. Rehefa nofantarina moa ireo alika ireo dia fantatra fa alikan’olona mpihaza lambo no efa tsy hita intsony ny toerana nahalehan’ilay tompony amin’izao, any ka lasa mirenireny ireo alika ireo. Nahatratra 27 ny isan’ireo zanak’omby efa nokaikerin’ny alika. Araka ny voalaza dia amin’ny alina no fivoahan’ireo alika ireo, sady miaraka mivoaka izy ireo. Amin’izao dia maro ireo alika voatarika lasa alikadia, indrindra fa ao amin’ny tanànan’Ambatolampy, fokontany ao ihany, any amin’ny kaominina ambanivohitra Sarobaratra, disitrikan’i Tsaratanàna. Taorian’ny fidinana ifotony natao, dia nasiana hatrany ny fiambenana ireo alika ireo amin’ny alina. Teo ihany koa ny fangatana nataon’ny mponina amin’ny fanaovana » Opération Faobe, » amin’ny fanapozinana alika, ao Androtra kely sy Ambatolampy.
Ratantely