- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAndrotra-Maevatanàna : Fiara nifandona olona niisa folo naratra, ny iray no tena voa-mafy

Androtra-Maevatanàna : Fiara nifandona olona niisa folo naratra, ny iray no tena voa-mafy

Ny alahady faha 21 jolay teo, tokony tamin’ny 02 ora maraina tany ho any no nisehoana lozam-pifamoivoizana indray ny teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra iny, teo amin’ny Pk 324 + 0,24 km, tany amin’ny toerana antsoina hoe, Androtra, any amin’ny kaominina Maevatanàna faharoa. Raha ny fampitam-baovao voaray teo anivon’ny polisim-pirenena eto Maevatanàna an-tampon-tanàna hatrany dia, Sprinter marika Mercedes-Benz Fourgon, mitondra ny laharana 6926 TCA avy any Antananarivo hihazo any Mahajanga no nifanehitra tamin’ny fiara Cotisse premium, mitondra ny laharana 0027 TBD avy Mahajanga, hianatsimo ho any Antananarivo. Vokany: olona folo tao anatin’ilay fiara taksiborosy no naratra, raha iray tamin’ireo no tena voa-mafy teo amin’ny tarehiny. Potika tsy nisy noraisina ihany koa ny lohan’ireo fiara roa ireo. Efa nahazo fitsaboana eny amin’ny hopitalibe Morafenokely Maevatanàna, ny sivy tamin’ireo naratra, ny iray ihany voatery tsy maintsy nentina niakatra any Antananarivo noho ny ratra mafy nahazo teo amin’ny tarehiny. Tsy maintsy notazomina natao andrimaso ao amin’ny biraon’ny polisy ny mpamily roalahy, taorian’ny fitsirihana nataon’ny mpitandro ny filaminana teny amin’ny toerana nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana. Raha hojerena sy hotantaraina tokoa ny zava-nitranga talohan’ity lozam-pifamoivoizana ity, dia samy niala lavaka ny fiara roa no nisongony fiara teo aloha ny fiara  » Fourgon, » ka nifandona tampoka tamin’ilay fiara taksiborosy ity farany. Teo no nisian’ny fifandona teo amin’ireo fiara ireo, hoy ny fanazavan’ny kaomisera Tsiremby Dérvala Péguy taminay hatrany. Ny talata faha-23 jona teo no niakatra fampanoavana ny mpamily roa lahy.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici