- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAndrovakely Antsirabe : Akoho hafahafa, mamoaka afo ny takorobabony

Androvakely Antsirabe : Akoho hafahafa, mamoaka afo ny takorobabony

Hafa mihitsy ity zavatra niseho tao androvaky Antsirabe ity, akoho gasy  4 no namoaka afo rehefa nodidina ny tendany. Tsy nisy fanazavana ara-tsiansa na fanazavana hafa azo nentina tamin’ity tranga hafahafa niseho tao Androvakely ity, fa avy hatrany dia nalevin’ny tompony ireo akoho rehefa avy nodidina. Tokantrano iray no nisehoan’ny tranga, maty ny akohony efatra tamin’ny Sabotsy lasa teo. Nihevitra ilay ramatoa tompony, fa tsy matimaty foana ny ankohony fa nisy nanipy poizina ary ny manodidina azy ihany no noheveriny nanao izany. Nisy tamin’ireo mpiray tanana no nahare ny hatezerany sy fimenomenonan’ilay ramatoa ka nilaza taminy fa didio ny tendan’ny akohonao hijerena ny takorobabony raha mitombina tokoa ny ahiahy.  Natao tokoa ny fandidiana ilay akoho ka ilay akoho kely indrindra no nanombohana azy. Hatairana ny an’ireo nahita fa vao vaky ny takorobabon’ilay akohokely, dia namoaka afo miloko mangamanga raha ny fitantaran’ny nanatri- maso. Tsy nisy nahetsika fa gaga avokoa nahita ity tranga ity. Vetivety dia tonga maro ny olona raha nandre io fisehoan-javatra io. Rehefa nodidina ny tendan’ireo akoho lehibe telo hafa dia toy izany hatrany fa somary lehibe kokoa ilay afo raha mitaha tamin’ilay voalohany. Tsy hita moa izay nanaovana ireo akoho, fa dia ny nandevina azy sisa natao.

Andry N

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici