- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAndroy- Beloha : Kamiao tra-doza : Ramatoa iray maty nianjeran’ny mangahazo enina...

Androy- Beloha : Kamiao tra-doza : Ramatoa iray maty nianjeran’ny mangahazo enina taonina

Ny talata lasa teo tokony tamin’ny 11 ora alina, kamiao iray no nahafaty olona tany Beloha. 35 km tsy hiditra ny tanàna dia niharan-doza ny kamiao nitondra mangahazo enina taonina niaraka tamina mpandeha 18. Nikija ny orana tao anatin’ny  andro maromaro ka nisy fiantraikany tany amin’ny lalana izany. Itsy farany izay nalama tokoa tamin’ny fotoana  nitrangan’ny loza ka niteraka tsy fahafehezana intsony ny familiana. Vokany : Niparitaka ny mangahazo tao anaty fiara, enina taonina no nifatratra tany amin’ireo mpandeha tao anatiny. Dimy tamin’ireo mpandeha 18 no naratra nianjeran’ireto entam-be vokatr’izany. Ankoatra ireo voa mafy naratra  dia ramatoa iray no namoy aina tao anatin’ny fifanjevona tamin’ny mangahazo. Raha zohina ny fisehon’ny loza dia nikisaka ho azy ny kodiaran’ny fiara ka nitongilana  niankavia. Ny lalana malama niampy  ny havesatry ny entana nentiny sy ny mpandeha tao anatiny mitambatra no antony niteraka ity loza ity. Voasoratra mazava eny amin’ny vatan’ireny fiarabe ireny anefa ny hoe « tsy mitondra mpandeha » kanefa dia hita porofo fa mitondra izy ireo. Mila fanaraha-maso araka izany ireny fiara natokana hitondrana entana ireny mba hialana amin’ny loza hahafatesana olona tahaka ity indray  mitoraka ity.

Kanto R. (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici