Tsindrona antsy enina no niantefa tany amin’ity tovolahy iray, teo amin’ny lamosiny sy ny kibony, izay nampivoaka ny tsinainy mihitsy. Araka ny fantatra dia ny namany akaiky ihany no nahavanon-doza, rehefa avy nifamaly izy ireo. Tranga niseho teny amin’iny faritra Androndra iny, ny alin’ny alahady lasa teo.
Ny zava-nisy. Tokony ho tamin’ny sivy ora alina, “tamin’ io fotoana io dia niaraka izy roa lahy mpinamana ary nifampitaona ny handeha hivoaka. Nampiandry ilay maty anefa ity tovolahy iray ity ary nilaza fa handeha haka vola any an-trano vetivety. Rehefa niverina ny tenany dia antsy no novimbininy fa tsy naka vola araka ny nolazainy. Nanindrona antsy avy hatrany ilay namany” hoy ny fampitam-baovao azo. Navelan’ity nahavanon-doza tao anaty rà mandriaka teo moa ilay namany ary nitsoaka toy ny tsy teo ny lehilahy. Namoy ny ainy vokatr’izay kosa, tetsy andanin’izay ilay niharam-boina. Vetivety dia nahoraka teny amin’iny faritra Androndra iny ny zava-nisy. Noezahina nantsoina ihany koa taorian’io ny mpitandro filaminana. Efa tsy hita tany nanjavonana kosa ilay namono. “Araka ny fantatra dia maro ny nahare ilay tranga famaliana nifanaovan’ izy ireo ny alina ary resaka fialonana sy ny lonilony no namonoany ity farany”, hoy hatrany ny vaovao.
Ny ampitson’io zava-nitranga io, raha ny loharanom-baovao avy amin’ny pôlisy hatrany, dia hoe nitolo-tena, teny anivon’ny sampana miady amin’ny heloka bevava sakelika voalohany tetsy Anosy ilay tovolahy 27 taona, nahavita namono an’ity namany ity. Tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro teo izy ireo tonga nitolo-batana teny, hoy hatrany ny vaovao. Notazomina avy hatrany ho amin’ny famotorana moa ny lehilahy ary natolotra ny Fampanoavana omaly. Araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ireo mpitsara mpanao famotorana dia nahiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ity tovolahy ity, miandry ny fotoana hiakarany Fitsaràna.
m.L