Nampahafantatra ny fahavononany hirotsaka hifaninana hofidina solombavambahoaka ao amin’ny distrikan’i Brickaville ny ben’ny tanànan’Anivorano Est, Mamitiana Razafinantoanina, ho setrin’ny fangatahan’ireo Raiamandreny sy solontenam-pokonolona avy amin’ny kaominina rehetra tao anivon’io distrika io azy. Isan’ireo ben’ny tanàna tanora indrindra ao amin’ny distrikan’i Brickaville Anivorano-Est nefa naharesy lahatra ny vahoaka tao anatin’ny distrika iray manontolo ny zava-bitany teo amin’ny fampandrosoana ny faritra iadidiany ka nahatonga ny fanosehana azy ho amin’io sehatra mivelatra kokoa io, hiarahan’ny rehetra mahazo tombontsoa avy amin’ny asany. Nohadiana nialohan’io lanonana io ny fototry ny trano famakiam-boky vaovao, tao amin’ny kaominina Anivorano-Est, vokatry ny famadihana ho asa avy hatrany ny tamberim-bidy vao narotsaky ny orinasa Ambatovy. Nahazo fankasitrahana manokana tamin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana koa ity ben’ny tanàna ity, noho ny fanomezany lanja manokana ny fitantanana ara-tontolo iainana tao an-toerana.
T.M.