Tafatsoaka ny fonja izy kanefa tokony hamita sazy 20 taona. Tsy vitan’izany fa mbola namerin-keloka indray rehefa tafatsoaka tao Ambalatavoahangy. Nisy olona noratrainy tamin’ny antsy ka nahatonga fitarainana tonga teny amin’ny zandary ny momba izany. Natao ary ny fitadiavana azy ary nandritra ny fisamborana dia mbola saika hampiasa ny antsy teny aminy ihany io gadra nitsoaka io, raha araka ny fanazavan’ny zandary. Tsy maintsy nampiasaina tamin’izay ny basy teo. Niteraka ny fahafatesan’i Doris izany, raha araka ny vaovao nampitain’ny zandary hatrany.
D.R