Raha ny “parebrise” sy ny “batterie” teo aloha teo no lasibatr’ireo tontakely, amin’ireo fiara sendra mijanona eny amin’ny sisin-dalana, eny fa na hatramin’ireo anaty garazy sy faritra mihidy aza, amin’izao fotoana izao, ireo “jante” vita amin’ny “aluminium” indray no alain’ireo olon-dratsy. Amin’ny alina ireto olon-dratsy ireto no manatanteraka ny asa ratsiny, ary angamba, araka ny filazan’ireo efa niharan’ity halatra ity dia mety manao andiany maromaro eo ry zalahy. Tsy vitan’izay fa toa manana fitaovana arifomba tokoa entin’izy ireo mantanteraka ny asa ratsiny. Tsy misy mahita, tsy misy mahare fa ny maraina fa valaketraka ireo tratra, tsy hita intsony ny nalehan’ny kodiarana. Misy sasany amin’izy ireo aza, nalain’ireo mpangalatra hatramin’ireo vy kojakoja samihafa eo amin’ny kodiarana. Eny amin’iny faritra Manjakaray, Anjanahary sy Ambatomainty iny aloha, hatreto raha ny fantatra, no tena lasibatra amin’ity asan-jiolahy ity indray. Ary efa maromaro ihany ireo tompona fiara no mitaraina fatratra amin’iny afitsok’ireo olon-dratsy, sy miantso ny tompon’andraikitra hijery akaiky ity tranga ity.
m.L