Sao dia tsy rariny intsony fa saika lasa mirona any amin’ny zavatra hafa izay mifanohitra tanteraka tamin’ny noheverin’ny fitondram-panjakana no mitranga ankehitriny. Tsara dia tsara ilay foto-kevitra sy ady napariaka sy notarihin’ny vadin’ny Filoha Rajoelina hanenjika sy hanafoana ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizy na koa ilay atao hoe mifototra amin’ny fananahana (VBG). Fa ny olana dia ny fampiharana izany lalàna izany, izay lasa ambana goavana mety hanimba ny fiarahamonina sy ny fifampitondrana eo amin’ny samy Makagasy. Ity farany izay, araka ny fantatra dia efa tena eo am-pototry ny fahapotehana noho ny fahasimban’ny toe-tsaina. Porofo iray azo raisina ity tranga teny Anjanahary lot II 0 ity . Rangahy iray manambady niteraka vavy kely, voasoketa ho nanolana zaza vavy kely 6 taona. Rehefa nentina tany amin’ny dokotera teny amin’ny hopitaly ilay zaza, dia voalaza fa mbola virijiny saingy nisy rovitra kely ny « hymen ». Nangataka ny hanaovana « contre-expertise » ny mpisolovavan’ny voampanga saingy tsy nanaiky izany ny polisy fa nolazainy fa tsy azo ivalozana na « irrévocable » ny certificat navoakan’ny dokotera.
Nambaran’ny fianakavian’i Tahiana, ilay voasoketa ho nanolana fa nisy vavolombelona nandetika ny zanak’izy ireo. Ankoatra izany dia namoaka lahatsoratra tamin’ny facebook ny fianakavian’ny mpitory, izay nolazain’ny voampanga fa nilaza vaovao tsy marina no sady nanala baraka azy, ary namporisika ny olona hanao fitsaram-bahaoka ny tenany. Hoy mantsy ny voalaza amin’ilay “publication” : “ahoana ny fitsaram-bahoaka amin’ity raharaha ity ?”. Natao tamin’ny volana novambra lasa teo moa ny fitsarana ity raharaha ity ka voaheloka 5 taona an-trano maizina, sazy mihatra sy onitra 1 tapitrisa Ariary i Tahiana.
Disadisam-piarahamonina. Ny tena fototry ny olana dia resaka hofantrano raha ny filazan’ny ray aman-drenin’i Tahiana. Mpanofa tranon’izy ireo mantsy ny mpitory saingy tsy nahaloa hofatrano 6 volana noho ny raharahara Covid-19. Rehefa notakiana hofantrano mantsy izy ireo dia nilaza fa efa 11 taona izy no nipetraka tao ka efa azy ny trano. Voatery noroahina izy noho izany ka teo no teraka ny olana. Hatramin’izao, na dia efa nifindra trano aza izy ireo dia mbola tsy nandoa ny hofatrano izay efa noferena 1 volana monja sisa. Efa niakatra fokontany ny raharaha fa mihizingizina tsy handoa izany hatrany ilay mpitory. Heverin’ny ray aman-drenin’i Tahiana ho fivadiham-pitokisana izany. Ny tena manahirana amin’ny raharaha toy ity nahazo an’i Tahiana ity dia ny fisian’ny lalàna vaovao mikasika ny VGB. Na zavatra tsy mitombina aza rehefa miakatra Fampanoavana ny raharaha dia tsy maintsy MD ilay voampanga.
T.M.