- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAnjanahary : « Atelier » ana fanaka may : tsy nisy noraisina...

Anjanahary : « Atelier » ana fanaka may : tsy nisy noraisina intsony ireo hazo sy fitaovana

Taorian’ny tranga nahamaizana trano  8 tany Toamasina afakomaly, trano hazo iray ihany koa no nirehitra, omaly tetsy Anjanahary, ampitan’ny « Collège Miarantsoa ». Omaly vao mangiran-drasty tokony ho tamin’ny 3 ora sy fahatelony no nitrangan’izany. Marihina fa trano fanamboarana fanaka ity nirehitra ity. Hatreto, tsy mbola fantatra mazava izay niavian’ny afo, fa raha ny tatitry ny sampana mpamono afo, dia heverina ho « cours circuit » no nahatonga izany. Kelikely ihany ilay trano may, saingy may tsy nisy noraisina intsony ny entana rehetra nijanona tao. May tamin’izany ny « machine à bois » sy ny hazo rehetra ary ireo fitaovana sasantsasany fanamboarana fanaka tavela tao. Naharitra 20 minitra ny famonoana ny afo. Tsy nisy kosa ny naratra na ny aina nafoy tamin’izany satria  tsy misy mipetraka ilay trano. Natahorana hiitatra tany amin’ireo fiara nijanona teo amin’ny « parking »  akaiky teo kosa ny afo, saingy voasoroka ara-potoana izany noho ny ezaka mati-paika nataon’ny « pompiers ».

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici