Afaka mba hilamin-tsaina amin’izay ireo mponina eny amin’iny faritra Anjanahary sy ny manodidina iny ! Ny alarobia lasa teo, enin-dahy efa kalaza ratsy amin’ny resaka fanafihana sy fanendahana ireo olona sendra mandalo eny amin’iny faritra Anjanahary, akaikin’ny fasam-bahiny iny, eny Antsahakely ary iny manodidina ny hôpitaly Soavinandriana iny no voasambotry ny pôlisin’ny boriborintany fahatelo etsy Antaninandro, teny Anjanahary. Tsy vitsy tokoa ireo olona mandalo amin’ireo toerana ireo no mikaikaika, amin’ny afitsok’ireto tontakely ireto. Raha vao manomboka maizina ny andro, na io hariva na io ilay vao maraina iny, dia saika tsy misy afa-bela avokoa. Miaraka amin’ny zava-maranitra na basy ireto olon-dratsy ireto amin’izany asa ratsy ataony izany, ary manao andiany maromaro. Raha ny fanazavana azo avy tamin’ny tompon’andraikitra voalohany eny amin’ity kaomisaria ity, dia saika efa fantapantatry ny olona eny amin’iny faritra ireto olon-dratsy ireto, saingy noho ny tahotra azy ireo dia tsy misy sahy miteny iretsy voalohany. Izany indrindra no antony nahatonga ireto pôlisy misahana iny faritra iny hanatanteraka vela-pandrika hisamborana azy ireo. Tamin’io marainan’ny alarobia io ary dia tonga ireo mpitandro filaminana, niezaka nijoko azy ireo. Teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy no tra-tehaka ny valo lahy. Nitsoaka moa ireto farany ary voatery nanapoahana basy mihitsy, ho fampitandremana sy ho fampijanonana azy ireo, saingy mbola tafaporitsaka ihany ny roalahy. Nony hitan’ireo mponina fa voasambotra izy ireo dia nitangorona ny olona ary nikasa ny hanao fitsaram-bahoaka ireto enin-dahy ireto, saingy voalamin’ireo mpitandro filaminana ihany izany. “Mampahatsiahy hatrany ny lehiben’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo, ny Commissaire de Police Razafindrazaka Hector ny mba hiantsoana ny laharana 034 05 998 32 raha manam-baovao fa mijanona ho tsiambaratelo ny momba azy”. Omaly ireto tontakely ireto no natolotra ny teny anivon’ny Fampanoavana.
m.L