Mpanendaka sy mpanao sinto-mahery eny amin’ny faritra Andravoahangy, Ankadifotsy, Ambatomainty ary Anjanahary. Izay no tena nahafantarana ity jiolahy ity ary efa nahazoana fitarainana matetika ny momba azy, raha araka ny fanazavan’ny polisy. Nanao hetsika miady amin’ny olon-dratsy ny polisy omaly ary dia nisy vokany tokoa. Teo amin’ny cimétière Anjanahary, raha teo am-panendahana no sendra an’ireo polisy manao fanamiana sivily ilay jiolahy. Mazava ho azy fa natao ny fisamborana teo indrindra, raha araka ny fanazavan’ny polisy hatrany, no mbola nanohitra ilay lehilahy. Nampiasainy ny sabatra teny an-tanany ary voatery niaro tena tamin’ny alàlan’ny tifitra ny mpitandro ny filaminana. Lavo ilay lehilahy ary ireo namany kosa nanao tari-dositra ary tafaporitsaka. Hain’izy ireo rahateo ny elakelan-trano rehetra sy ny fierena eny amin’iny manodidina ny fasam-be eo Anjanahary iny. Mbola mitohy anefa ny fikarohana an’ireo hatramin’ny omaly. Isan’ny ady isan’andro eto an-drenivohitra ny fisamborana mpanendaka izay mirongatra hatrany na betsaka aza ny efa voasambotra, izay maro amin’ireo koa no voatifitra. Hatreto aloha mety hatrany ny paik’ady ataon’ny polisy izay manao fanamiana sivily ary miroboka eny amin’ny faritra mena.
D.R