- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAnjanahary : Mpivady naratra mafy, main’ny lasantsy

Anjanahary : Mpivady naratra mafy, main’ny lasantsy

Loza tsy nisy ohatr’izany no nianjady tamin’ireo mpivady tetsy Anjanahary, ny sabotsy hariva lasa teo. Niredareda ny afon-dasantsy. Naratra mafy ary samy may teo amin’ny 80 isan-jaton’ny vatany teo, na ilay rangahy, izay manodidina ny 75 taona any ho any na ilay ramato, 46 taona. Raha ny vaovao voaray dia toa hoe avy nampidina lasantsy tao amin’ny môtô nipetraka tao an-trano rangahy. Ary teo am-panaovana izany mihitsy no nampirehitra sigara. Zava-doza tokoa no niseho avy eo, fa nidedaka avy hatrany ilay enton-dasantsy raha vao notselaran’ilay afon-tsigara ary avy hatrany dia nihazo ilay fitoeran-dasantsin’ilay môtô. Tsy nisy afa-tsy ireto olona roa ireto irery no tao amin’io efitra nisy môtô tamin’io fotoana io araka ny filazan’ireo nanatri-maso. May avokoa ny tapany ambony tamin’ireo olona ireo, ankoatry ny tongony, raha ny fitantaran’ireo olona hatrany. Teo anatrehan’izany, nikoropaka avy hatrany ny fianakaviana nitondra azy ireo namonjy toeram-pitsaboana. Na dia teo aza ny fahavoazana mafy nahazo azy ireo, dia mbola nahatsiaro tena tsara izy ireo, teny amin’ny hôpitaly. Na izany na tsy izany aza anefa, somary mbola atahorana ny ainy raha ny filazan’ireo mpitsabo, noho ny halalin’ny fahamaizana. Mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny tobim-pahalasamana moa hatreto ireto mpivady ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser