Raha handeha hamonjy fodiana rehefa avy niarakaraka tamin’ny fianakaviana, no nisy fiara nanakana avy hatrany. Ny iray avy eo anoloana ary ny faharoa kosa avy tao aoriana. Tsy afa-nihetsika intsony ny fiara kely izay nitondra ireo lehilahy roa. Nambanana basy roa karazana, dia kalachnikov sy poleta PA izy roa ary izany dia nialohavan’ny famakiana ny fitaratra teo anoloana tamin’ny vodibasy. Izany no nitranga tetsy Anjanahary, teo amin’ny fidinana mizotra amin’ny sampanana mankany Ambodivona. Manodidina ny tamin’ny valo ora hariva no niseho ny fanafihana ary tao anatin’ny oram-be izany. Ny fiara voalohany izay nibahana avy any aloha dia fiara tsy mataho-dàlana ary fiara kely Golf kosa ny faharoa. Norahonana avy hatrany ny olona tao anatiny mba hanome ny vola any amin’izy ireo. Tsy izay ihany aza, fa mbola nalaina koa ireo entana izay mora nesorina teny an-koditra. Lasa hatramin’ny peratra mariazy, raha araka ny fanazavan’ny voatafika. Ny vola kosa dia mitentina 300.000 ariary no lasa. Raha ny tombana, dia noho ny asan’ny iray tamin’ireo lehilahy izay mivarotra fiara no tena nanintona ireo jiolahy. Vao avy nahalafo fiara maromaro izy tamin’iny herinandro iny ary mazava loatra, fa nisy nahafantatra izany ka nahatonga azy ireo ho lasa lasibatry ny fanafihana. Mbola manaporofo hatrany ny tranga toy izao, fa manana mpitsikilo ny jiolahy ary tena manara-maso ny fivezivezen’ny vola eto an-dRenivohitra. Betsaka ny olona no efa voaendaka raha avy naka vola tamin’ny banky na koa an-dàlana ny ho any. Betsaka koa ireo izay vao avy nanao aferam-bato na fiara, dia nisy nanaraka ary nandroba. Ny tena loza aza matetika, dia hitan’ireo hatramin’ny trano ary ao no tafihiny tsy ananany antra. Midika izany fa mila any amin’ny toerana tsy tokony hisy mahita no hatao ny fifanarahana sy fandoavana vola mba hialàna amin’izay mety ho asan-jiolahy.
D.R